Tsy nanome fahazoan-dalana na iza na iza ny hanoratra boky mirakitra ny tantarany ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Iavoloha, omaly. Tokony hitandrina ireo olona mety hahita na hividy boky lazaina fa mirakitra ny tantaran’ny filohan’ny Fanavaozana.
Ny demokrasia, tokony hihaino aloha izay vao miara-midinika ary manapa-kevitra, raha ny nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) teo aloha, i Navony Lenoble Pierre, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nihaino ny mpitondra teo aloha. Raha nihaino izy, tsy nandeha any ivelany fa nijanona teto an-tanindrazana.
Tsy izay olona mitondra no hoe manao politika avokoa, fa ireo nandalo siansa politika sy fitaizan-tsaina toy ny tamin’ny andron’ny AKFM, Monina, MFM, Arema… Io ny fanehoan-kevitry ny loholona teo aloha, i Vaovao Benjamin, manoloana ny tsingerin-taonan’ny tolona 2025, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tokony hafainganina ny fikaonandoham-pirenena izay manjavozavo hatramin’izao.
Tsy zakan’ny olona ny tsy fanovan-drafitra, araka ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Dinika fanavotam-pirenena (DFP) Ratolojanahary Maharavo. Tsy maintsy ovana ifotony ny fahefana tena omena an’ireo sokajin’ olona ireo: inona, ohatra, ny fahefana omena ny fokontany any ambanivohitra? Ny firosoana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara no iraisan’ny besinimaro manoloana ny olana eto amin’ny firenena ankehitriny.





