“Handry anjara amim-pahatsoram-po amin’ny dinika politika, hanome lanja ny tombontsoa ambonin’ny firenena manoloana ny tombontsoa manokana, hiaro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena”. Ireo ny faneken’ireo nanao sonia ny “Sata ho fanoloran-tena ho an’ny dinika politika”, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repoblika vaovao (VMFR), Rakotomavo José, teny amin’ny Falda Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 23 ireo vondrona politika sy antoko politika ary fiarahamonina sivily, nanao sonia tamin’ny fanombohana. Mbola mitohy ny fanaovan-tsonia. Nambaran’ ny mpandrindra ankapobeny, ny filohan’ny MFM, Randrianirina Jean-Ignace, fa samy hafa ny fikaonandoham-pirenena sy ny dinika politika. Dingana amin’ny fahavononan’ny mpanao politika sy ny fiarahamonina sivily hitondra vahaolana ho an’i Madagasikara amin’ny dinika politika ny fanaovan-tsonia. Ho an’ny sarambabem-bahoaka hatrany ifotony ny fikaonandoham-pirenena fa ho an’ny mpanao politika hifampifehezana ny fanaovana politika eto Madagasikara ny dinika politika. Hitondrana ny lalan-kizoran’ny firenena ho amin’ny fanovana koa ny dinika politika. Na ny fiangonana aza, nametraka hoe ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena misy fanomanana dinika politika. Haroso mialoha izay hisian’ny fitoniana.
Teny fanevan’ny VMFR ny Fahamarinana-Fihavanana-Fanorenana, araka ny voarakitry ny sata. Lalana hahazoan’ ny hery samihafa mifampihaino sy mifanaja ny dinika politika, mifampatoky ary miara-mitady vahaolana maharitra. Hanamafisana ny fihavanana sy ny fandriampahalemana nasionaly koa izany, hampiroboroana ny fihavanana sy ny firaisankina, hamerenana ny fifampitokisana ary handraisana an-tanana ny hetahetam-bahoaka…
R. Nd.





