Mpisakaiza nalefa eny : Tsiafahy Ady lova niafara tamin’ny vono olona

Lehilahy sy vehivavy izay mpisakaiza, tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Belaza Valentin, lehilahy 32 taona, tetsy Anatahiazo Isotry, ny alin’ny 21 septambra 2026 teo. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy izy ireo, omaly. Taorian’izay, nalefa vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy, ary eny Antanimora ilay vehivavy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Anabavin’ilay lehilahy maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana sy ny sakaizany ireo nahavanon-doza ireo. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena fa fitiavan-tena diso tafahoatra mba hahafahan’izy ireo manjaka irery amin’ny lova navelan’ny ray aman-dreniny ny anton’ny vono olona. Efa nikasa hanapoizina io anadahiny io izy roa teo aloha, saingy tsy tanteraka. Niitatra ny hevi-dratsy ka notsatohan’izy ireo ny antsy teo am-pandriana tao amin’ny efitrano fatoriany ilay lehilahy, ny alin’ny alatsinainy teo. Nanao ny fikarohana ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika faharoa. Voasambotra ny talata 22 septambra, teny Isotry, ireo nahavanon-doza. Samy niaiky ny heloka nataony, rehefa nohadihadian’ny polisy. Tsiahivina fa hita faty tao an-tranony, teo ambony fandriana, ilay lehilahy. Efa nihoson-dra tanteraka hatramin’ny fandriana natoriany. Nahitana dian’antsy maromaro tamin’ny vatany, nandritra ny fitsirihana nataon’ny manam-pahefana. Novonoina tao an-tranony i Belaza, saingy tsy nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa nandritra ny alina ny mponina manodidina.

Mino

Partager sur: