Salon de l’Auto 2026 : Hamoraina ny fividianana fiara

Manana anjara toerana lehibe amin’ny lafiny fivezivezena ny tontolo ara-bola sy ny banky. Voalohany, nandraisan’ny banky Sipem anjara ny hetsika Salon de l’Auto 2026, andiany faha-15, karakarain’ny Vondron’ny mpanafatra fiara avy any ivelany eto Madagasikara (GCAM). Nanomboka ny 25, 26, 27 septambra teo ary mbola hitohy amin’ny 2, 3, 4 oktobra ho avy izao. Nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny Sipem Banky, Ramatoa Randriatsimialona Lanja, fa nanaiky ny handray anjara izy ireo, satria mifanandrify amin’ny lalantsain’ny Sipem ny fanamorana ny fivezivezena, izay lohahevitra noraisin’ny GCAM hoe « mobilité intelligente ».
Mila hamoraina ny famatsiam-bola amin’ny fividianan’ny mpanjifa ny fitaovana entina mivezivezy, toy ny fiara, moto, ny fiarabe, ny fitaovana asa vaventy, sns. Tena kendrena ireo mpandraharaha sy orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI). Tsotra ny fanatanterahana azy, misy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo orinasa mpanafatra sy mpivarotra. Azo aloa tsikelikely ny fiara na hafa vidiana, amin’ny zanabola latsaka tarehimarika fito (-7) miohatra amin’ny mahazatra. Mihena 50% ny saram-pikarakarana ny antontan-taratasy. Maro ny mpikambana ao amin’ny GCAM miara-miasa amin’ny Sipem.

Njaka A.

Partager sur: