FANTINA sy FINTINA

Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randriasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny ambasadaoron’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, i Ji Ping. Noha­mafisina ny fiaraha-miasa stratejika Malagasy–Sinoa, indrindra eo amin’ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny varotra.
Nanatanteraka fivoriana faharoa ifampiza­ran’ireo manampahaizana ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, Anosy, ny Vaomieran’ny fiaraha-miasa iraisana eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fanjakan’i Maraoka, ny 28-30 septambra. Dinihina amin’izany sehatra fiaraha-miasa izany ny hanamafisana ny fifamatorana ara-tantara sy hikarohana fanararaotra vaovao..
Nambaran’ny mpikamban’ny Komity tekni­kan’ny fikaonandoham-pirenena, ny pasitera Mailhol, omaly, fa miandry ny fandaharanasan’ny FFKM amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny distrika sy ny kaominina vao afaka miasa. Efa nanao tatitra ny FFKM fa ao anatin’ny fikarakarana. Hanomboka amin’ny volana oktobra ny firosoana amin’izany.
Nitsidika ara-pomba fanajana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny minisitra teo aloha an’ny Repoblika federalin’i Alemaina, i Herta Däubler-Gmelin. Niaraka taminy ny ambasadaoro Olivier Knoerich. Niompana tamin’ny federalisma sy ny fanapariaham-pahefana ny fihaonana, fa ny lalàmpanorenana ihany no fototry ny fanavaozan-drafitra.

Partager sur: