Manatrika ny atrikasa itambaran’ny fikambanan’ny Antenimierampierenena ato amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Fivoriana natomboka omaly, ao Port Louis, Maorisy.
Ny fiarovana an-dranomasina sy ny toekarena manga, ny momba ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ireo fari-dranomasina ary ny fampandrosoana maharitra ireo harena an-dranomasina. Ireo no ifantohan’ ny fivoriana atrikasa itambaran’ny Fikambanan’ny Antenimierampirenena amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (AP-COI), atsy Port-Louis, Nosy Maorisy, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso.
Mitarika ny solontenan’ny Antenimierampirenena malagasy amin’izany, sady solontenan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny filoha lefitra Antananarivo, ny depiote Ralambozafimbololona Razafitsimialona Andriantsivoafetra. Anisan’ny mpandray anjara kosa ny solontenan’ny parlemanta avy atsy Kaomoro sy ny Nosy Maorisy ary i Seychelles.
Lohahevitra dinihina amin’ izao koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Parlemanta eo anivon’ny faritra, ny fanamafisana ny Fikambanana AP-COI. Eo koa ny fandaharanasa sy ny hetsika hotanterahina amin’ny hoavy ary ny Parlemantan’ny tanora ao amin’ny Indianocéanie (PRJIO). Hojerena koa ny fanavaozana sy fanatsarana ny andrimpanjakana parlemantera, amin’ny alalan’ny fitsidihana sy fifanakalozana traikefa miaraka amin’ny Antenimierampirenen’i Maorisy, izay mahakasika manokana ny fampiasana ny ilontsaina artifisialy eo amin’ ny sehatry ny asan’ny Parlemanta.
Manan-danja ho an’ny Antenimierampirenena malagasy ny fandraisana anjara amin’ izao hetsika izao. Manome sehatra hampiroboroboana ny tombontsoan’i Madagasikara ny amin’ny fiarovana ny ranomasina sy hizarana traikefa ary hanamafisana ny diplaomasia parlemantera. Hahazoana maka lesona sy mandinika ireo fomba fanao mahomby hampiharina eto amin’ ny faritra, indrindra eo amin’ny fanavaozana ny andrimpanjakana izany.
R. Nd.





