Fitantanana ny tsipy kanetibe : Hitory ny federasionina ny «Collectif des présidents du club»

Iray andro mialoha ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Ampefiloha, ny fikambanan’ny filohana klioba «Collectif des présidents du club». Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mangaraharaha ny fitantanana ny tsipy kanetibe malagasy ataon’ny Fédé­ration sport boule malagasy (FSBM), ankehitriny. Araka izany, hametraka fitoriana eny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) izy ireo, araka ny nambaran-dRatsimbaharison Luc, filohan’ny klioba UBMT nitondra ny tenin’izy ireo. «Miisa 10 ny fitoriana eto am-pelantananay ary hanananay porofo avokoa izany», hoy izy.  Nohamafisiny fa hametraka fitoriana any France koa izy ireo, manaraka ny lalàna frantsay ho an’ireo mpiray tsikombakomba amin’ ny FSBM. Noho izany, takin’ny “Collectif des présidents du club” ny fanovana sy fanavaozana ka hametrahan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny FSBM fialana. Manome herinandro izy ireo, mialoha ny hirosoana amin’ny fitoriana.
Tsy nitsitsitsy fitenenana mihitsy ny tenany, namotsipotsitra ireo tsy nety nanomboka tany amin’ny fifidianana filoha ny federasionina ka hatrany amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena toy ny “Tournoi estival” farany teo sy ny “Masters”. Nohamafisiny fa misy ny fangalana ny volan’ireo mpilalao niatrika izany. Nolazainy fa betsaka ny vola tsy hita izay nanjavonany toy ny an’ny mpanohana sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. Manoloana ireo rehetra ireo, miantso ny fanjakana hanao fitsirihana sy hanadihady ny kaonty ny federasionina, izay ahiahin’izy ireo ho misy fanodikodinam-bola.

Tompondaka

Partager sur: