Varotra: Hamafisina ny fiarovana ny vokatra eto an-toerana

Manohana sy miaro ny famokarana eto Madagasi­kara ny fanjakana. Nanka­toavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny talata teo, ny volavolan-dalàna momba ny fepetra fanitsiana ara-barotra sy ny Tahirim-bola ho fanohanana ny fampandrosoana sy fanadiovana ny sehatry ny varotra (Fadac). Mi­voitra ao anatin’ity volavolan-dalàna misy andininy 107 ireo rafitra ara-dalàna mifanaraka amin’ireo lalàna iraisam-pirenena sy ny fifanarahana iarahana amin’ny Fikam­banana iraisam-pirenena momba ny varotra. Mametraka rafitra mazava ihany koa ny volavolan-dalàna momba ireo fepetra telo lehibe amin’ny fiarovana ara-barotra dia ny fepetra momba fanariam-bokatra (mesure antidumping, ny fepetra fanonerana (mesure compensatoire) ary ny fepetra fiarovana. Hamafisina, araka izany, ny andraikitry ny ANMCC amin’ny fanadihadiana, ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ireo fepetra fanitsiana ara-barotra raha toa ka misy tranga mety hanimba ny famokarana eto an-toerana. Tanjona ny hamoronana tontolo ahafahan’ny orinasa s y ny seha-pamokarana eto an-toerana mivelatra, mamorona sanda fanampiny ary mampitombo ny asa. Kendrena ihany koa ny hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana en­tana sy hanamafisana ny toekarena manoloana ny fiovaovan’ny vidin’entana sy ny mety hisian’ny tsy fahampiana.

Henintsoa

Partager sur: