Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Ilontsera Program, izay nanolotra fanofanana ampitain-davitra ho an’ny mpanao gazety sy mpianatra ho mpanao gazety ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo manoloana ny fanamby sy ny olana ara-tontolo iainana. Tetikasa niarahana tamin’ny Unesco, tao anatin’ny fadaharanasa PIDC. 15 ireo mpanao gazety nanaraka fiofanana. Tanjona ny hamerina sy hanampy ny finiavana efa misy. Hanambatra izany hanamafy ny fisian’ilay asa fanaovan-gazety manatsikafona. Eo koa ny fampiakarana ny lentan’ny mpanao gazety ara-tontolo iainana.
Nandritra ny herintaona nanaovana ny tetikasa dia voapetraka ny fandaharam-piofanana momba ny asa fanaovan-gazety manatsikafona ny sehatry ny tontolo iainana.
Novolavolaina niainga tamin’ny zavatra hita tao anatin’ny fiofanana izany, fototra iaingana amin’ny fanofanana amin’ny hoavy ihany koa.
Nisy tamin’ireo mpanao gazety no nahazo vatsim- panohanana nahafahana nanatanteraka ny asa fanatsikafonana eny amin’ny faritra misy azy avy.
Lohahevitra nisongadina ny mahakasika ny fitantanana ny valanjavaboahary sy ny fako eny amin’ny toeram-pitsaboana, ny fandotoana rano vokatry ny fanariam-pako eny Andralanitra, ny famokarana arina fandrehitra ary ny resaka fihazana.
Tatiana A





