Nanantanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tetsy amin’ny FJKM Ambatomena, afakomaly, ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF) sy ny Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona (VFKF) izay ivondronana fikambanana maro, miorina hamerina ny hasin’ny fokonolona, ahitana ny TMTM, FFMA, Fizoma, Tafo Mihaavo, Fanonga fokonolona, ny FMGKrima… Nanamarika ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika Malagasy ihany koa izy ireo. Manao antso avo ho an’ny rehetra hanome andraikitra bebe kokoa ny rafitra fokonolona izy ireo nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, taorian’izay. Nambaran’ny hafatra fa tokony hatsahatra ny rafitra mampitsitokotoko napetraky ny mpanjanaka. Manentana ireo tomponandraikitra hametraka rafitra ara-dalàna mamaritra ny andraikitry ny fokonolona koa ny Vovonana, ahafahany mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. «Tokony hifantoka amin’ny olona izany fa tsy ny rafitra», hoy ny fanambarana. «Ny fanavaozana miaraka amin’Andriamanitra Tsitoha sy amin’ny alalan’ny fokonolona no hanavaozana an’i Madagasikara», hoy Andrianasoloarimina Tiana, mpandrindra nasionalin’ny HFKF, nampita ny hafatra. Miantso ny rehetra izy ireo hiala amin’ny ratsy fanao toy ny kolikoly, ny fankahalana ary ny fitiavantena. Etsy ankilany, nanolotra hevitra koa ny mba hisian’ny fifampidinihana eo amin’ny rehetra momba ny fanavaozana.
«Fokonolona mijoro, Firenena Miaina», io no teny filamatry ny Vovonana.
Claude Eric





