Mpiantsena voatafika, very 8.000.000 ar : Lehilahy voatifitra tetsy Anosibe tsena

Notafihin’ny jiolahy iray tsy nisaron-tava ny lehilahy mpividy entana tao amin’ny tsenan’Anosibe, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ity farany ka maty tsy tra-drano. Voaroba ny vola 8 tapitrisa Ariary sy finday iray teny aminy. Lehilahy telo hafa naratra voatifitra.

Nandriaka ny ra tetsy amin’ny tsenan’­ Ano­sibe, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any. Lehilahy iray 35 taona no maty tsy tra-drano, notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany. Mpivarotra enta-madinika iray eny Androndra io lehilahy tra-doza io. « Niala tany an-trano handeha hividy entana ao amin’ny mpivarotra mpamongady iray tao amin’ny tsenan’Anosibe izy, tamin’io fotoana io », hoy ny dadatoany. Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy anefa izy rehefa tonga hividy entana teo amin’ilay mpivarotra. Vokany, voatifitra teo amin’ny lohany izy ka maty tsy tra-drano. Nosinto­min’ilay olon-dratsy ny kitapo iray teny aminy, izay nahitana finday iray sy vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, raha ny fanazavan’ny fianakaviany ihany. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Nampandre ny zava-doza tamin’ny fianakavian’ny tra-doza ny tompon’ny tsena.

Olona telo hafa naratra
Mbola nitifitra ilay jiolahy nandritra ny fotoana nandosirany. Nahatratra telo ny olona naratra tamin’izany. Mpana­mpy teo amin’ilay tsena mpamongady nividianan’ilay na­moy ny ainy entana ny roa. Lehilahy iray hafa, niezaka nanenjika sy nanakana ilay jiolahy, ny fanintelony. Tao­rian’­ny tranga, nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa ireo naratra ireo. Nentina eny
amin’ny tranom-paty kosa ilay lehilahy namoy ny ainy, tao­rian’­ny fanadihadiana nata­on’­ ny polisy siantifika teny an-toerana.

Jiolahy iray tsy nisaron-tava
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo olona nanatri-maso hatrany, jiolahy iray nitondra basy sady tsy nisaron-tava ilay nanafika. Nanao akanjo mihaja, patalo velon-drirana sy lobaka, izy tamin’ izany. Tsy nisy olona niaraka fa saingy nanambana basy teny an-tanany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana, nanao ny fanadiha­diana rehetra, ny polisy. Tsy mbola voasambotra ilay jio­lahy. Marihina fa misy Caméra de surveillance ny toerana nisian’ny fanafihana.

Mino

Partager sur: