Toy ny isan-taona, tanterahina nanomboka omaly ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny “Fiba Youth Camp 2026” na ny Toby fiofanana ho an’ny tanora latsaky ny 16 taona. Anisan’ny manana solontena miatrika izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Hanitriniala Nirisoa sy Rakotozafy Christina. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny basikety karakarain’ny Fiba Afrique, iarahana amin’ny NBA. Hivondronan’ireo mpilalao manan-talenta sy mahay ary manana ny hoavy mamiratra manerana ny kaontinanta afrikaninany Toby fiofanana ho an’ny tanora. Raha tsiahivina, mpilalao mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena, tamin’ity taona ity, i Nirisoa, mpilalaon’ny Fandrefiala. I Christina kosa ao amin’ny klioba AS St Michel. Hiaraka amin’izy roa vavy, Rabaonomenjanahary Regine, mpanazatra. Efatra ireo manam-pahaizana hisahana ity fiofanana ity. Anisany i Naoufal Uariachi, mpampiofana avy amin’ny Fiba sady talen’ny toby. Eo koa i Joe Touomou, avy amin’ny Dallas Mavericks sy i Isabel Fernandez, avy amin’ny federasiona Espaniola ary i Alfred Aboya, avy amin’ny federation Camerounaise. Tanjona amin’ity “FibaYouth Camp 2026” ity ny hanamafisana ny fototra sy hampitomboana ny fahaiza-manao amin’ny filalaovana basikety.
Tompondaka





