Tafiditra anatin’ny ezaka fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana, fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana manokana ary fampiroboroboana ny fahaiza-manao ara-pitsaboana eto Madagasikara ny tolotra ho an’ny faritra Boeny.
Nanatontosa hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina ao amin’ny faritra Boeny ny CHU Mahavoky Atsimo. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana Fanavaozana, hanohanana ireo ezaka rehetra, nahazo fitaovana ara-pitsaboana manokana ny CHU Mahavoky Atsimo. Avy amin’ ny mpiara-miombon’antoka Australian Doctors For Africa ireo fitaovana, hanatsarana ny fitiliana sy ny fitsaboana ireo aretina mpahazo ny taova fandevonan-kanina, indrindra eo amin’ny ankizy.
Natao hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy hanamorana ny fahazoan’ireo ankizy mila fizahana sy fitiliana manokana amin’ny alalan’ny fitarafana ny lalan-kanina na « endoscopie digestive » izany. Maro ireo tolotra ara-pahasalamana ary nahitana vokatra azo tsapain-tanana. Olona maherin’ny 20 nisitraka ny fitiliana vavony tamin’ny alalan’ny “gastroscopie”. Marary 10 nahazo fitsaboana tamin’ny alalan’ny “ligature”, izay famatorana ireo lalandra mivonto (varices œsophagiennes) hita ao amin’ny lalan-kanina. Olona 10 hafa nahavita soa aman-tsara ny fizahana ny tsinay lehibe tamin’ny alalan’ny « coloscopie ». Nandritra izany, azo natao ny nanala kambo « polypes intestinaux » hita tao amin’ny tsinaibe, araka ny toe-pahasalaman’ ireo marary.
Ankoatra ny fitsaboana, zava-dehibe ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Tafiditra ao anatin’ity hetsika ity ny fanofanana, ny fifanakalozana traikefa ary ny fifampizarana fahalalana sy fahaiza-manao eo amin’ireo matihanina ara-pahasalamana, hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fikarakarana marary.
Vonjy





