Fanajana ny fenitra : Manamafy ny fifaninanan’ny vokatra malagasy

Antoka mampiroborobo ny vokatra malagasy eny amin’ny tsena anatiny sy ivelany ny fanarahana fenitra sy ny fa­natsarana ny kalitao. Nivoitra izany nandritra ny fankala­zana ny Andro iraisam-pire­nena momba ny fenitra, omaly. Hetsika niarahan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana sy ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM), tohanan’ny PA Zlecaf. “Manampy ny orinasa malagasy mifaninana sy mametraka ny lanjan’ny vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fenitra”, hoy ny minisitra Andria­madi­son Haingotiana, tamin’ ny lahateniny. Tokony hajaina ny kalitaom-bokatra mba hiarovana ny mpanjifa sy hianto­hana ny fampandrosoana maharitra. Lohahevitra noraisina ny hoe: « Fenitra sy kalitao, fanoitra stratejika ho an’ny fanamafisana ny fifaninan’ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena afrikanina sy ny fampandrosoana lovainjafy ». Nisy, araka izany, ny fifanakalozan-kevitra niarahan’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka marolafy.

Lalam-barotra

Sehatra vaovao ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny fampiharana ny Zlecaf, izay takina fanarahana fepetra sy fanajana ny fenitra takin’ny tsena. Tanjona ny hanamora ny fivezivezen’ny entana sy ham­pihena ny sakana ara-barotra. “Antony indrindra hanentanana ny mpandraharaha hanaja ny fenitra izany”, hoy ny tale jeneralin’ny BNM, Rakotomahefa Sitraka Zara­soa. Kendrena ny hahafahan’ ny vokatra malagasy miditra amin’ny tsena afrikanina, sady hanome lanja ny orinasa ma­lagasy. Tsiahivina fa mahatratra 1,4 tapitrisa ny mpanjifa eo anivon’ny Zlecaf.

Henintsoa

Partager sur: