TSELATRA

Lehilahy iray nitondra moto, maty nianjeran’ny hazo tany Betaikankana Ambodiampana, Bealanana, omaly tolakandro. Voalaza fa nisy olona nanapaka ilay hazo ka nianjera teny amin’ny lalana. Sendra nandalo teo anefa ity mpitondra moto ity no nianjera ilay hazo. Marihina fa an-dalana hamonjy fodiana any Antsohihy izy no izao tra-doza izao.
Notanterahina omaly ny hetsika fanalana ireo lemizo sy fandravana ireo trano sachet tsy ara-dalàna teny Tsiazotafo, Behoririka ary Antsakaviro. Niarahan’ny Polisy monisipaly, DACPC ary DASS. Miisa 31 ireo lemizo nesorina ary enina ireo trano sachet noravana. Tanjona ny hanadiovana sy handaminana ny toerana ho tombon­tsoan’­ny besinimaro.
Roa lahy voasambotry ny polisy tetsy amin’ny lalamby Anosibe noho ny fisolokiana tamin’ny alalan’ny menamahazo, ny 17 oktobra 2026 teo, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Taorian’izay, nentina nohadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy ireo. Atalotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana azy ireo.
Voasambotry ny polisim-pirenena teny Amoro­nakona, ny 16 oktobra 2026 teo, ilay vehivavy 23 taona, tompon’antoka tamin’ny fangalarana vola mitentina 7 341 000 Ariary tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy tetsy Tanjombato. Hita teny aminy ny vola mitentina 5 855 000 Ariary tamin’ny fotoana nisamborana azy. Nentina eny amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato ilay vehivavy hanaovana fanadihadiana.

Partager sur: