Fikaonandohan’ny polisy : Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Mining Business Center, Ivato, omaly, ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny polisy. Natolotra, ta­min’ izany, ny fehin-kevitra rehetra hanatsarana ny fomba fiasan’ ny polisy. Mikendry ny hamolavolàna endrika vaovao ho an’ny Polisy ao anatin’izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Vaindohan-draharaha tamin’ izany ny ady amin’ny kolikoly. « Manjaka loatra ny kolikoly eto amin’ny minisiterantsika, manaratsy endrika izany, anisan’ny fomba iray nanovana endrika sy niton­drana fanavaozana eo anivon’ ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka izany», hoy ny Tale jeneralin’ ny polisim-pirenena, ny Con­trôleur Général de Po­lice Tsaramonina Jean Victor. Nambarany fa misy polisy manao ny asa araka ny tokony ho izy, misy kosa ny manaratsy endrika ny polisim-pirenena, toa lasa fahavalom-bahoaka. « Tena mampaloto antsika ny kolikoly, ataovy fady manomboka anio raha tiana ho tratra ny fanatanterahana ny endrika vaovao », hoy izy. Finiavana sy fanavaozana ara-panahy no tena mandeha raha te hiady amin’izany. « 65 taona, nijoro ny polisy, 10 taona no andrasana sy andrafetana ny vina sy ny endrika vaovao apetratsika », hoy ihany izy. Etsy ankilany,
« zava-dehibe ny fahitsiana ho an’ireo mpitandro ny filaminana raha tiana ny hisian’ny fanavaozana marina ka hitarika amin’ny fampandrosoana tena izy », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, nandritra ny lahateniny. « Ilaina ny fanavaozana ifotony mba hahafahana manavao ny rafitra misy ny Polisim-pirenena ankehitriny », hoy kosa ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka, ny inspecteur général de Police, Erick Michel, nandritra ny fanolorana ny tatitry ny fikaonandoha.

Mino

Partager sur: