Nitsangatsangana : Tovolahy iray maty natelin’ny reniranon’Andranotoraha

Maty natelin’ny reniranon’Andranotoraha ny tovolahy iray, ny harivan’ny alahady teo. Nanatanteraka fitsangatsanganana tany an-toerana izy sy ny namany. Saingy, nilomano ary izao tra-doza izao.

Misesisesy ny trangana fahitana olona maty natelin’ny rano tato ho ato. Tovolahy iray, tokony ho 21 taona, no tratran’izany, tany amin’ny reniranon’Andrano­to­raha, kaominina Analavory, ny atoandron’ny alahady 25 oktobra 2026 lasa teo. Natao ny fikarohana azy, ny hariva efa tamin’ny 5 ora sy sasany izy vao hita ary efa vatana mangatsiaka no tao anaty rano. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nanao fitsidihana sy fitsangatsanganana tany amin’ity toerana ity izy ireo, tamin’iny herinandro iny. Ani­san’ny notsidihin’izy ireo ny tendrombohitra sy ny faritra manan-tantara rehetra tany amin’ny faritr’Itasy, ao anatin’ny kaominina Analavory. Nahita ny reni­ran’Andranotoraha izy sy ny namany tamin’io alahady io. Nilomano izy ireo, saingy lasa tany amin’ny lalina ity tovolahy ity ka nilentika ary tsy tafavoaka tao intsony. Nahita izany ny namany ka niezaka nanavotra azy, saingy nilentika hatrany ity farany. Nilazana ny zava-misy ny mponina sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Tsy niandry ela, tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanampy tamin’ny fikarohana ilay lasibatra ireto farany. Naharitra ora enina ny fikarohana ilay tovo­lahy. Nanomboka tamin’ny 11 ora izany ary tany amin’ny 5 ora sy sasany hariva vao hita ny razana. Tany amin’ny 10 m ambanin’ny rano no nahitana azy. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manampahefana sy ny dokotera, sempotry ny rano ny antony nahafaty ity tovolahy ity. Raha ny fanazavana voaray hatrany, avy aty Antananarivo ary nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny faritr’Itasy ity tovolahy lasibatra ity. Efa misokatra ny fanadihadiana nataon’ny zandarimariam-pirenena mahakasika ity raharaha ity.

Mpanjono iray natelin’ny rano
Ankoatra izay, raim-pianankaviana tokony ho 48 taona, hafa ihany koa, natelin’ny ranomasina tany Toamasina. Raha ny fanazavana voaray, nanjono teny an-dranomasina izy, saingy lasan’ny ranomasina, ny marainan’ny zoma 23 oktobra lasa teo. Mbola nametraka harato izy ny maraina, raha ny fanazavan’ny fianakaviany. Niverina niakatra an-tanàna indray izy ny hariva. Nanomboka niandriaka teny an-dranomasina anefa izy taorian’io. Efa nandrara azy tsy handeha ny vadiny noho ny fisian’ny rivotra mifofofofo ny tolakandro. Tsy resy lahatra ta­min’izany ilay rangahy ka naka ny fivoy ary lasa namonjy ranomasina, nanosika ny lakana sy hitsapa ireo fandrika trondro napetraka tamin’ny maraina. Nivadika ny lakana vao tsy nandigana 20 metatra miala ny torapasika akory. Natelin’ny ranomasina ka tsy hita. Nanom­boka ny fikarohana azy, saingy tsy mbola hita hatramin’ny fotoana nanoratana.

Mino/ Sajo

Partager sur: