Badminton – «Mada Junior» : Mametraka ny anarany ny Futura BC Antsirabe

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanam-pirenena, ta­ranja badminton ho an’olon-tokana, sokajy “Junior”, lahy sy vavy. Ligy roa no niatrika izany dia Analamanga sy Vakinankaratra. Na vao haingana aza no nitsanganan’ny Futura BC Antsirabe, efa manomboka mametraka ny anarany izy ireo. Porofon’ izany ny nandrombahany ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy U17, lahy sy vavy, izay azon-dRakotoharinivo Jonathan sy Razafitsara Ma­nou Jesimaela.
Ankoatra izany, nifampizarana ny fandresena. Teo amin’ ny U15, lehilahy, lasan’ny Sporting Club Itaosy, tamin’ny alalan-dRandriamananjara Sanda Niavo, nandresy an-dRazakasoavina Mamonjima­hefa avy amin’ny MB2 All, ta­min’ny seta 2 no ho 0, ny am­boara. Ho an’ny vehivavy in­dray, lasan’i Fanomezantsoa Brenda, mpilalaon’ny VTTK Ivato, izay nandavo an-dRa­mandimbisoa Voary, Futura BC Antsirabe, tamin’ny seta 2 no ho 0, ny fandresena. Teo amin’ny sokajy U13, zazalahy, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara Razakasoavina Mikajimahefa avy amin’ny MB2 All. Randriamanjara Va­lisoa kosa ny teo amin’ny zazavavy. Niakatra ny lentan’ny fahaizan’ireo katitakely, araka ny nambaran-dRava­lison Jean-Aimé, filohan’ny Federasionina. Nitombo ihany koa ny isan’ireo klioba vaovao ka anisan’izany ny Badminton Université.

Tompondaka

Partager sur: