SOMBIM-BAOVAO

13 ireo firenena hisolo tena an’i Afrika eo
amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, sokajy lehilahy. Fihaonana hotanterahina any Thaïlande, ny 20-24 novambra ho avy izao. I Algerie, Burkina Faso, Cameroun, Côte d’Ivoire, Madagasikara, Mali, Mauritanie, Maurice, Niger, Senegal ary i Bénin.

Nifarana ny alahady lasa teo, tany Hoima Ouganda, ny fifanintsanana «Road to Bal”, taranja basikety. Laharana fahefatra no nisy ny CosPN Madagasikara, tao amin’ny vondrona “D”. Faharesena telo sy fandresena iray no vokatra azon’ity ekipan’ny polisim-pirenena ity. Nandresy ny Ushindzi Comores, tamin’ny isa 88 no ho 55, teo amin’ny andro farany.

Hotanterahina ny sabotsy 31 oktobra tontolo andro, ao amin’ny efitrano Kianja Barea Mahamasina, ny dingana fahadimy amin’ny “Rallye virtuel” na ny hazakazaka fiarakodia lalaovina amin’ny ordinatera “Last Contest”. Hanana ny lanjany lehibe izany satria mety hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara 2026.

Partager sur: