Talenta maro no mifoha. Ny fifaneraserana amin’ny samy mpanoratra no anisan’ny miteraka izany. Iray amin’ireny ny Herinandron’ny Havàtsa-Upem fanao isan-taona.
Ny salan-taonan’ny mpitsidika, ny fandaharam-potoana eny an-toerana, ny ranty isan-karazany… Mahazo tombony lehibe ny mpianatra sy ny mpikaroka, indrindra ireo tanora mahatsapa fa ao aminy ilay talenta momba ny soratra. Nosokafana omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ilay hetsika lehibe «Herinandron’ny Havàtsa-Upem». «Talata fanombohana» nahitana fa talenta maro no nifoha raha momba ity tontolon’ny soratra ity. Saika tanora sy mpianatra ny ankamaroany. Tsy nijanona tamin’ny antsa, haisoratra an-tsehatra, ny tolakandro fa tazana teny antsefantsefany teny ireo karazana dinidinika nifanaovan’ireo mpanatrika.
Mbola tombony lehibe ho an’ny mpianatra ihany koa ny fisian’ny «Alarobia miverina», anio. Ny maraina, antsa sy tafa amin’ireo mpanoratra am-perimpanoratana. Ny tolakandro, famoahana manetriketrika ireo boky vaovao an’ny mpikambana tsirairay. Fiarahana amin’ireo mpanoratra sy sakaizan’ny Havàtsa-Upem tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny momba azy sy ny sanganasany.
« Ilaina atao matetika ny fihaonana tahaka izao »
Niverina matetika ity hetahetan’ny mpianatra ity, nandritra ny fanokafana ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem», omaly. Ilaina atao matetika ny fihaonana tahaka izao. Fihaonan’ny mpanoratra sy ny mpianatra. Fihaonan’ny samy mpianatra, sns, mba hifoha ny talenta ao amin’ny tsirairay…
Maro ireo mpianatra no liana sy voasariky ny soratra. Tsy vitsy tamin-dry zareo no efa nahasoratra tononkalo na tantara, saingy, mbola mijanona ho «vakiraoka» (araka ny nambara), na tsy mbola manana fahasahiana ny hamoaka izany, noho ny tsy fahampian’ny fifampikasohana sy fifandraisana amin’ireo mpanoratra zoky sy mpitari-dalana.
Raha mahatozo ny tanora, hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara. Tokony hifanaraka amin’izany koa, anefa, ny zava-misy (sehatra lehibe, rohim-boky tomombana, sns), hoenti-mampivelatra ny talenta.
HaRy Razafindrakoto





