Nahatratra 96,8% ny tahan’ny fandrakofana ara-pitantanana ho an’ny vaksiny miady amin’ny poliomelita (VPO); 83,4% ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro, nandritra ny fanaovam-baksiny fanefitry ny kitrotro sy ny poliomelita. Hetsika nasionaly izay notanterahina ny 5 ka hatramin’ny 9 oktobra lasa teo, manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanome tantsoroka ho an’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny famenoana ny Canevas fangatahana na fanavaozana ny fahazoan-dalana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho famaliana ny antson’izy ireo izany. Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra nampitoviana ny fomba fiasa sy nanomezana fanazavana fanampiny momba ny fepetra takina amin’ny fahazoan-dalana.
Tontosa ny zoma lasa teo ny fifidianana ny filoha vaovao hitantana ny Syndicat du personnel administratif et technique Université de Tananarive (Spatut). Araka ny voka-pifidianana, Ramiarantsoa Tojonilaina no hitantana io sindika io.





