Tetikasa vatsian’ny Amerikanina: Novoriana ireo mpisehatra

Hanamafy ny fiaraha-miasa sy fandrindrana asa ary ny tamberin’andraikitra eo amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny ny masoivoho amerikanina. Izany no anton’ny famoriana ireo mpiandraikitra sy mpanatanteraka ireo tetikasa vatsian’ny governemanta amerikanina vola eto Madagasikara. Misy amin’ireo no vaovao, eo koa ireo efa taloha. Namory azy ireo ny lefitry ny masoivoho mpisolo toerana, Steve Bremner, ny herinandro lasa teo.
Samy nizara ny antsipirihan’ny tetikasa tohanan’ny governemanta amerikana sahanin’izy ireo avy ny solontena avy amin’ny Programme alimentaire mondial, ny Unicef Mada­gascar, ny Adra Madagascar. Miampy ny International Federation of Red Cross and Red Crescent Societies (IFRC), ny CRS Madagascar ary ny Medair Madagascar. Noresa­hin’izy ireo ny sahan’asa sy ny faritra iseharan’izy ireo avy.
Rehefa mirindra ny asa ary mifampizara ny fahaiza-manao sy miara-mientana ny mpisehatra isan-tsokajiny dia mahomby kokoa ny rehetra amin’ny fiatrehana loza sy ny vonjy taitra, amin’ny famonjena aina ary amin’ny fisorohana sy ny fiomanana amin’ny loza.
Tsy mijanona eo amin’ny fiatrehana hamehana ny tanjona, fa ny hanampy an’i Madagasikara hiomana sy hahay hiatrika raha sendra voina, hampihena ny fiankinandohany amin’ ny fanampiana avy any ivelany. Hanorina hoavy matanjaka sy miroborobo kokoa.

Tatiana A

Partager sur: