Tsy misara- mianakavy

 

Mazava aloha ny resaka avy amin’ny Filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, omaly. Tsy misy fanovana governementa na fakana fanapahan-kevitra miainga avy amin’ ny tsindrin’ny mpanao facebook izany. Midika izany, mbola nofinofy sy faniriana lalina fotsiny ny an-dry Diaspora, te hanaisotra ny minisitry ny Fitsarana. Miandry valin’ny fanadihadiana miafina ho fanajana ny tsiambaratelo izany, araka ny filazany. Manamarika ny fifampitoki­san’izy ireo izany.
Raha manjohy ny fivoaran’ny toe-draharaha, mazava izao fa miaraka maty amin’ny “palestinina” izy mianakavy. Voahaja ny voady na amin’ny soa na amin’ny ratsy, tsy misy miala izany eo. Na mahomby na tsy mahomby amin’ny iraka dia namako, havako ihany. Ahoana tokoa no ifamadihana amin’ny niara-nitolona sy niara-nisorona. Masaka indray ve ny ketrika vao hifanilika an-toerana. Sanatrian’ny vava!
Miaramila rahateo no resaka. Porofo mivaingana ny nahitana azy efa-dahy be izao teny amin’ny Jirama, omaly. Mandiso ny fisian’ny disadisa. Amin’ny ankapobeny, sarotra ny ifanilika amin’ny toerana ankehitriny. Aleo aza miaraka voa na miaraka mahavoa toy izay hanao valala an-karona. Ny mpifanandrina ivelany rahateo tsy manaiky resy mora. Mbola mitady hirika ny hiverenana ny andaniny.
Hafakely ny demokrasia malagasy. Hany ka mahazo vahana ny gaboraraka, tsy misy intsony ny fanajana na fifanajana amin’ny andrimpanjakana, ny mpitondra. Very hasina tanteraka ny maha olom-pahefana. Mahamenatra ilay kisary miady an-tsena sy mifamingavinga amin’ny teny maloto ny vahoaka sy mpitondra. Mahamenatra sy mampanongo tena ny zava-misy ka ilana fandinihana lalina sy fahamalinana goavana. Ny azo ambara anefa, afaka mandry ivohon’ny vato ny mpitondra satria miray hina na inona na inona miseho.

r.r

Partager sur: