Nahoraka ny fifanebahana teny amin’ny tambajotran-tserasera, tao anatin’ny andro maromaro. Nifampiampanga teny ankalamanjanaben’ny facebook ny samy nametraka ilay fitondrana. Manao izay danin’ny kibony ny mpifanadrina ao anatiny. Misintona lakolosy fotsiny ny mpanohitra sy ny olona lazaina fa taranaka-Mapar. Zary takona ny ezaka tsara vita sy ny fikelezana aina ataon’ilay fitondrana sy ny Filoha dimy lahy be izao.
Misy fotoana tena ilaina ny mangina sy mitady ny fomba rehetra hanosehana ilay fitondrana anatin’ny fitoniana tanteraka. Tsy ilaina ny mifandramatra amin’ny fahavalo, na ireo tsy mitovy fomba fijery aza. Zava-dehibe ny fahafehezana ny vava tsy hiteny; na ny tanana tsy hanoratsoratra raha vao misy ny fandranitana. Tsy izay avo vava no tompon’ny hery. Izay mahay mifehy ny mpifanandrina no tompon’ny fahefana.
Zava-dehibe amin’ny fahombiazana politika ny fahafehezana ny serasera. Mila manaraka ny lamina sy ny filan’ny odidina sy ny vanim-potoana izany. Tsy ampy ny filazana tompoko tompoko, na ny famoahana sary fa akaikin’ilay filoha aho. Zava-dehibe ny fiarovana azy anatin’ny paikady tsy re tsaika. Ilay fomba fiady fanta-bahoaka mialoha no rangory fototry ny afo matetika. Hany ka na izay tena manao amin’ny fo sy matihanina aza takona.
Vanim-potoana saropady, ahafahan’ny Filohan’ny Fanavaozana mandrafitra ny ekipan-tserasera milamina sy mamokatra izao. Raha vao misy ny lesoka lavareny, amin’ireo olona manao ny asa ho azy, amin’ny fomba fanao ankehitriny, manahirankirana ihany ny ho vokany sy ny ho fivoarany. Mila manomana paikady tena araka ny tokony ho izy ilay matihanina nametrahana fitokisana.
Tena mila mandamina ny Fanavaozana, raha serasera aloha!
r.r





