FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola very fanantenana ny vahoaka na eo aza ny olana, araka ny nambaran’ny Hetsika Pro Ravalomanana (HPR), tetsy Bel Air, ny asabotsy teo. Nambaran’izy ireo fa manan-karena isika ka fotoana izao hijoroana hananganana firenena. «Aoka handala ny rariny sy ny hitsiny, ho tan-dalàna sy tsara tantana ho an’ny tombontsoa iraisana», hoy izy ireo.

Tanora avy amin’ny fokontany miisa 28 ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no nofanina, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny ezaka fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ ny lisi-pifidianana izany. Izy ireo no hanatanteraka izany eny ifotony. Nanohana sy nanampy ny Eisa sy ny Ceni.

Tafapetraka ny mpandrindra ny Vovonan’ny fihavaozan’i Madagasika (VFM) ao Ambositra. Mita­rika izany ny depiote any an-toerana, Liva Rason. Nanolotra ny fanendrena kosa ny filoha nasionaly, ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa. Nanatrika izany ireo solombavambahoaka maro sy ireo ben’ny tanàna ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.

Kandidà hofidiana ho filoham-pirenena amin’ ny taona 2027, i Lercia Bulldozer. «Tsy hisy intsony ny vola saram-pianarana fa maimaimpoana tanteraka ny fanabeazana ny zaza malagasy. Hapetrany koa ny fampisitrahana fitsaboana sy fahasalamana ho an’ny daholobe ary ny fametrahana fitsarana mahaleo tena», hoy izy tao amin’ny pejy facebook.

Partager sur: