Nikarakara fiofanana momba ny fomba fanambarana ao amin’ny Rejisitra foibe mirakitra ny mpisitraka tena izy (RCBE) ny EITI-Madagascar, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business Center, Ivato. Fiofanana natao ho an’ireo orinasa miasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, niaraka tamin’ny Foibe fitantanana ny hetra (DGI). Natao hanampiana ireo orinasa
amin’ny fanambarana ny mombamomba ireo mpisitraka tena izy sy hahafehy ny fampiasana ny sehatra RCBE ity fiofanana ity. Nisy ihany koa ny fampiharana mivantana ny fomba fisoratana anarana sy ny fandefasana ny mombamomba ireo mpisitraka tena izy amin’ny alalan’ny interinet. Manamafy ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ny fangaraharana, ny fanamorana ny fahazoana vaovao, ny EITI-Madagascar amin’ny alalan’ity hetsika ity. Manamafy ihany koa ny fanjakana malagasy ny fahavononany hanohy ny fampiharana ny fenitra EITI, amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara mavitrika, misokatra ary mirindra an’ireo mpisehatra rehetra. Natao izany ho fisorohana ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Henintsoa





