Lalao Olympika ho an’ny tanora: Lavon’ny Makis Ladies i Espagne sy Etazonia

Tsy nandiso fanantenana ny Malagasy ny Makis Ladies, omaly, raha niakatra an-kianja voalohany, nandritra ity lalao Olympika ho an’ny tanora izay tontosaina atsy Dakar ity. Resin’izy ireo i Etazonia sy Espagne.

“Fahombiazana!” Nahita fandresena roa sahady ny ekipam-pirenena malagasy, Makis Ladies, omaly, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana taranja rugby lalaovin’olona fito, amin’ny lalao Olympika ho an’ny Tanora (JOJ 2026), izay tanterahina atsy Dakar. Raha hiverenana kely ny vokatra azon’ny ekipa nasionaly, resin’i Madagasi­kara, tamin’ny mokafoy, 12 no ho 10, i Etazonia. Marihina fa ny Malagasy hatrany no nitarika, 7 no ho 5, mialoha ny nidirana tany amin’ny fialantsasatra. Taorian’io, mbola notohizan’ny Makis Ladies hatrany ny fahazoana vokatra tsara, rehefa nandavo an’i Espagne, tamin’ny isa 19 no ho 12, ry zareo. Tena nampiseho ny fara-heriny mihitsy ireto Ma­lagasy mpilalao ireto, nampiseho ny hakingany teny ambony kianja ry Princia, Jenny, Tracy, Sariaka ary i Landy. Raha tsy misy ny fiovana, mitana ny laharana voalohany i Madagasikara ao amin’ ny vondrona “B”. Efa tafita any amin’ny manasa-dalana izy ireo. Ny ekipa nasionalin’i Tchéquie indray izany no hi­fandona amin’izy ireo, anio. Azo lazaina, araka izany, fa nitondra vokatsoa ho an’ny vehivavy mpilalao, ilay fiofanana natao tany Tunisie, tapa-bolana lasa izay sy ireo fanomanana mahery iray volana, izay natao teto an-toerana. Teo amin’ny tenisy ambony latabatra “ping pong”, mbola resin’ilay frantsay, Nina Guo Zheng, tamin’ny seta 3 no ho 0, (11/4, 11/2, 11/4) indray Andriantahina Gracia, vehivavy malagasy pongiste. Ity no faharesena fahatelo ho an’i Madagasikara tamin’ity taranja ity. Ankoatra izany, tonga ni­tsidika sy nampahery ireo malagasy atleta rehetra, izay mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Ampahafantarina ihany fa ny taranja tenisy ambony latabatra, rugby, lo­mano, tolona, judo, atletisma no andraisan’i Madagasikara anjara.

Fitia Randria

Partager sur: