Notsindromin’ny olon-dratsy antsy ny mpiambin-trano iray rehefa niantso vonjy tao Malaho Ankadirano, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 9 novambra teo. Niditra an-keriny tao an-trano ny mpanao ratsy. Zaza sy ny rainy ary ny mpiambina no tao an-tanàna tamin’io fotoana io.
Mpianaka naratra taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN1, teo amin’ny PK 31+500, tao Fonenana, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 45 minitra. Nifatratra tamin’ny sarety ny taksiborosy iray. Naratra ny raim-pianakaviana 54 taona sy ny zazalahy 11 taona. Nalefa notsaboina eto Antananarivo izy mianaka.
Niara-voatazona atao fanadihadiana eny amin’ny polisy, kaomisaria Central, ilay lehilahy tompon’ny alika nanaikitr’olona sy ny mpiasany taorian’ny fitoriana voarain’ny manam-pahefana. Nanaikitra lehilahy iray hafa izay mpibaiko alika teny Analakely ny alika nentin’io tompony io sy ny mpiasany.





