Ady amin’ny kolikoly : “Tsy ekena ny gaboraraka”

Nitohy ny fitsidihan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, sy ny delegasionina notarihiny an’i Mananjary, Faritra Vatovavy, afakomaly.

“Tsy maintsy iadiana ny gaboraraka”, hoy izy namintina tamin’ny mpanao gazety ny fihaonany mivantana tamin’ny hery velona tany an-toerana, indrindra ny amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-kibon’ny tany nampitaraina ny rehetra. Vitsy fotodrafitrasa vita i Mananjary, raha ampitahaina amin’ny Faritra hafa rehetra nandalovana. Hita tamin’ny fifampiresahana ta­min’ny hery velona ny fisian’ny gaboraraka ny amin’ny raharaha volamena. I Manan­jary no anisan’ny Faritra, ankoatra an’Ambilobe, Faritra Diana, be volamena indrindra eto Mada­gasikara. Tokony hampandroso ny firenena izay. Izay gaboraraka izay no tsy maintsy iadiana.
Misy milaza fa olona akaiky azy milaza fa irahiny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ihany. Hoe olo­na irahiny manao an’izay ra­haraha volamena izay. “Te­neniko ampahibemaso eto ary ampitao amin’ny vahoaka rehetra: sambory izay milaza fa nalefako na iza izy na iza. Eo isika mahita azy hoe: iza ilay olona, nalefako tokoa ve ary miasa eny amiko tokoa ve sa olona mpisandoka?”, hoy izy. Izay no andrisihany ny vahoaka malagasy ny amin’izay milaza fa nalefany na nirahiny, nefa tsy manana baiko fanatontosana iraka avy any amin’ny fitondram-panjakana dia samborina. “Ampio izahay miady amin’ny kolikoly”, hoy ihany izy. Mba tsy hojerena fotsiny rehefa mahita tranga tsy ara-dalàna…
Nitondrany vahaolana koa ny olana amin’ny fananan-tany. Eo ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa toy ny sekoly, hopitaly… Na ny faharatsian’ny lalana toy ny RN 11 sy RN 25… Nisy koa ny fangatahana fampiakarana ny tambin-karaman’ny lehibem-pokontany.

R. Nd.

Partager sur: