Lalàm-pifidianana ankehitriny: “Tsy matoky ny atitany sy ny HCC ny antoko politika”

Hatao eto an-dRenivohitra, amin’ny alatsinainy sy talata, ny fikaonandoha faharoa mahakasika ny lalàm-pifidianana. Anisan’ny mampimenomenona ny olona sy ny antoko politika ny momba ny atitany sy ny HCC.

Miroso tsikelikely ny fifidianana! Hiroso amin’ ny fakan-kevitra andiany faharoa ny komity niandraikitra izany. Hotanterahina ny 9 sy ny faha-10 novambra ny fandravonana ireo fehin-kevitra voaangona tamin’ny fihaonana voalohany teny Iavolo­ha. Anisan’ny hojerena manokana ny mahakasika ny rafitra sy ny fitsipika. Nitondran’ny fi­raisamonim-pirenena sy ny antoko politika samihafa fanamarihana ny minisiteran’ny Ati­tany sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mitondra ny heviny mahakasika izany ny antoko Asa vita Ifampitsarana na ny Avi, omaly.
« Ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsijaram-pahefaha sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) intsony no anisan’ny fototra mahatonga ny tsy fitoniana po­litika miverimberina eto amintsika. Hialana amin’izany, mila fanavaozana hatrany ifotony ny fitantanana ny fifidianana mba ho madio sy eken’ny rehetra “, hoy ny Dr Andriamiharivola­mena Zavamanitra, Solomba­vambahoaka voafidy tao Fan­driana. Heverin’ny Antoko Avi fa ho loza mitatao amin’ny demokrasia sy ny fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny firenena io tsy fahatokisana io.

Mandray andraikitra

Manolona ny ahiahy, nanolotra tolo-kevitra mahakasika ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny Vaomieram-pirenena ma­haleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny Avi. Namo­la­vola lalàna fototra hifehy amin’ny ankapobeny ny fitantana fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny antoko. Raha fintinina, miorina amin’ny andry telo lehibe mifampiankina ny sosokevitra avy amin’izy ireo.
Anisan’ny handray anjara amin’ny dinika faharoa ny antoko, saingy mangataka ny mangarahara sy ny tatitra ma­zava mahakasika ny tamin’ny fihaonana voalohany. Zava-dehibe ny fisian’ny fanazavana mialoha momba ny tohin’ny hevitra sy fangatahana naroson’ny mpandray anjara tamin’ny dingana voalohany. Indrindra indrindra ny fahafantarana hoe inona ny hevitra noraisina? Inona no tsy notazomina? Inona no nahatonga izany, hoy hatrany ny Avi.
Mahakasika ny fitsapankevi-bahoaka, heverin’ny Antoko fa ara-drariny ny fanatanterahana an’izany. Mifanitsy amin’ ny hetahetam-bahoaka sy ny fitakiana fanovana rafitra efa nodradradradraina hatramin’izay izany.

Randria

Partager sur: