Diaspora : Velona ahiahy amin’ny raharaham-pirenena

Nitondra ny heviny manoloana ny dinika ho fanomanana ny fifidianana ny eo anivon’ny « Observatoire de la vie publique de Madagascar – AOVPM », anisan’ireo diaspora any Frantsa. Nambaran’ny filohany, i Herininahary Mosesy, fa misy mampanahy azy ireo ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.

«Ahiahy tsy ihavanana ka aleo sorohina. Misy hevitra tsara saingy ahina ho fandrika ka ilaintsika ny adihevitra ankalamanjana », hoy izy. Nohitsin’izy ireo fa ahina ny petatoko momba ny lalàmpanorenana ary ahina ho tonga amin’ny adim-poko, manoloana ny rafitra fanjakana tokana sy ny federaly. Eo koa ny mety tsy ahitana taratra ny tena hevi-bahoaka. « Tsy tokony ho volana vitsy no anoratana ny volavolan-dalàmpanorenana mba tsy ho tandrametaka sy ho kitoatoa izany », hoy ny AOVPM. Natsidik’izy ireo ta­min’izany ny arofanina amin’ny alalan’ny fametrahana rafi-dalàna mifehy ny fifidianana mialoha ny fampielezan-kevitra, ny fitsipika, ny tetiandro, ny fakan-kevitry ny HCC. Tsy ovaina intsony ny fitsipi-dalao rehefa avy eo, araka ny heviny. Eo koa ny fampahafantarana ny vahoaka ireo andininy anaty vinan-dalàmpanorenana rehetra isanisany. « Hatao mazava amin’ny teny malagasy sy frantsay ary roa volana farafahakeliny mialoha ny fifidianana ny hanaovana iza­ny », hoy izy. Mitaky asa fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena vanona azy ny va­hoaka. Hatao isam-paritra ary ampianarina ny tsirairay handalina sy hametraka fanontaniana, momba ny tamberin’andraikitra, fa tsy momba ny fiaviana, araka ny tolo-kevitra efa naroson’izy ireo. Momba ny fanaraha-maso ny fifidianana kosa, omena ny vahoaka sy ny vondrona iraisam-pirenena izany, amin’ny alàlan’ny fananganana ny filankevitry ny herivelona, araka ny ampahany amin’ny sosokevitry ny AOVPM.

Synèse R.

Partager sur: