Tonga eto indray ny iraky ny SADC tarihin’i Joyce Banda, nanombana ny tondrozotra. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël izy ireo, afakomaly, teny Iavoloha. Voaresaka ny dingana ho amin’ny fifidianana sy ny tetiandro manodidina izany. Nampitaina amin’izy ireo koa ny dinika momba ny fifidianana eny Ivato.
Hametraka ny biraom-pifandraisana eto amintsika ny SADC amin’ny volana marsa. Anisan’ny ampiasana izany ny hanamorana ny fifandraisana eo amin’ny governemanta sy ireo firenena mpikambana eo anivon’ity vondrona ity. Eo koa ny tantsoroka teknika sy ny fampirisihana ny fihaonambem-pirenena handraisan’ny rehetra anjara.
Mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pokontany mialoha ny fifidianana rehetra ny ADN. Nambaran’izy ireo fa sosokevitra efa ela ny fanorenana ifotony. Anisan’izany io fifidianana eny anivon’ny fokontany io. « Efa manana lalàmpanorenana « Federalisma sahaza » koa izahay ka fifidianana no hatao fa tsy Eny na Tsia », hoy izy ireo.
Tokony ho ny fanorenana ifotony aloha no atao, aorian’izany ny fifidianana, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Vondrona Ampandrana, Raharinaivo Andrianantoandro. «Mila lamina matipaika ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tokony hodiovina ny tokotanim-pifidianana», hoy kosa ny avy amin’ny MMM.





