Ny nanombohan’ny asa fanaovan-gazety sa ny nivoahan’ny gazety an-taratasy voalohany teto Madagasikara no ankalazaina? Mbola azo atao adihevitra izay fa ny iray amin’ireo kosa no feno 160 taona, ka marihina amina hetsika maro.
Tandrovana sy omen-danja ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny votoatin-kevitra niverimberina tamin’ireo lahateny nifandimbiasana nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-160 taona nisian’ny asa fanaovan-gazety teto Madagasikara, tetsy amin’ny foiben’ny ORTM Anosy io, omaly. Anisan’ny lalana mankany amin’ny fanatsarana ny sehatra ka hatao tanjona amin’izao hetsika izao ny fananganana Tranoben’ny mpanao gazety. Samy naneho ny maha zava-dehibe izany fotodrafitrasa izany, na ny mpandrindra nasionalin’ny komity misahana vonjimaika ny holafitra, Andry Rakoto, na ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony O’gascar. Ito farany aza, nanambara fa azon’ny minisitera atao tsara ny mampiditra izany anatin’ny tetibolany, saingy mba hisian’ilay tena fahalalahana sy tsy fiankinandoha dia aleo hatao ho ezaky ny mpanao gazety ihany izany. Samy niresaka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ny olana sy ny vahaolana, ny tokony hisian’ny firaisankina sy ny fifanohanana izy ireo. Mazava loatra fa tsy maintsy nasian-teny ny mahakasika ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety. Nambarany fa anisan’ny ezaka vita ny tsy fisian’ny mpanao gazety nogadraina noho ny vaovao navoakany na ny hevitra nambarany. Tsy midika anefa izany fa tokony hirosoana amin’ny fahalalahana tsy misy fetra, fa kosa ny fahalalahana maneho hevitra tena izy.
Avy hatrany dia nanome valinteny mahafa-po ny mpisehatra ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. “Vonona ny hanampy ny mpanao gazety ny fanjakana. Hirosoana ny fifampiresahana mba hahafantarana ny tena filana sy ny olan’izy ireo. Ankoatra ny fanatsarana ny sehatry ny asa, tanjona amin’izao fanavaozana izao ihany koa ny hampiray indray ny Malagasy. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpanao gazety, indrindra amin’ny alalan’ny vaovao ampitainy amin’ ny vahoaka”, hoy ity farany.
Tsiahivina fa hitohy anio sy rahampitso amin’ny fampiofanana ho an’ny mpanao gazety, ny fankalazana, ao amin’ny ORTM hatrany. Hamoaboasana ireo lohahevitra maro, toy ny tandrohasina, ny lalàna mifehy, sns, izany. Ny zoma izao kosa ny fakan-kevitra lehibe, hiompana amin’ny fanatsarana ny hoavin’ny asa fanaovan-gazety, eny amin’ny Mahatehotia By Pass.
Zo ny Aina





