« Milagnona 2026 » : Haharitra 3 andro ny fankalazana

Hotanterahina ny 18, 19 ary 20 novambra izao ny he­tsika ara-kolontsaina « Milag-no­na 2026 », hatao any amin’ ny faritra Alaotra Mangoro. Kolontsaina, fizahantany ary fampandrosoana no havoitra amin’ity hetsika ity. Maro ireo fandaharam-potoana hanamarihana izany. Fanandrata­na ny taninketsa Betatoato, fanofanana, teatira maoderina, antsan-tononkalo ary slam no hitranga ny andro voalohany, ny 18 novambra. Fitsidiha­na toera-manantantara ao Andriamamovoka sy Ampara­faravola ary Ambohibary kosa ny fandaharam-potoana ny andro faharoa, ny 19 novambra. Ny zoma 20 novambra kosa no hanatanterahana ny fitokanana ny Rova Mahazina sy toeram-pianarana any an-toerana. Hisy ihany koa ny fahan-jaza folo, fomban-drazana Bezanozano sy Betsimi­saraka izay hatao ao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy kolontsaina ao Ambohibary.
Hampiavaka ny fankalazana ny fampisehoana hiarahana amin’i Njakatiana, ny alin’
ny zoma 20 novambra, ao amin’ny Bezanozano Hotel. Sady hamaranana ny “Milag­nona 2026” ity seho ity ary hisy ny fampisehoana an-tsary ny toerana Andriamamo­voka sy Amparafaravola. Mi­aloha izany, hisy ny takarivan’ny kolontsaina sy fizahantany, hampisehoana fitafy sy taovolo Betsimisaraka sy Bezanozano.
Ny faritra Alaotra Mango­ro, ny delegasion’ny Serasera sy ny kolontsaina Moraman­ga, ny fikambanana Fagnasin’ ny tany ary ny Ofisim-paritry ny fizahantany Alaotra Man­goro no miara-misalahy amin’ ny fikarakarana ity hetsika ity.

Mi.Raz

Partager sur: