Nandrombaka ny medaly volafotsy nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Ji-jutsu Bresilien, tany Abou Dhabi, i Nofy Chuk Hen Shun. Nifaninana tao amin’ny sokajy vehivavy, latsaky ny 62 kg, fehikibo manga, ity atleta avy amin’ny klioba Checkmat Madagascar ity. Teo amin’ny famaranana, resin’i Kauany De Paula, brezilianina, izy.
Efa miatrika fampivondronana any Meknes Maroc, ny ekipa nasionaly malagasy Barea A, amin’izao fotoana izao. Hidona amin’i Guinea Bissau ry zareo rahampitso, fihaonana izay tafiditra anatin’ny fiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny Can 2027. Tsiahivina fa ny Barea no mampiantrano amin’io lalao io. Any Guinea Bissau kosa ny fifandonana miverina, ny 17 novambra ho avy izao.
Nanaitra ny maro tao anaty tambajotran-tserasera, nanomboka afakomaly, ny fahitana fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena frantsay ilay judoka frantsay, i Tedy Riner. Tsiahivina fa manana ny lazany ary toy ny mpanjaka amin’ny taranja Judo mihitsy izy, efa nahazo ny medaly volamena tamin’ny lalao Olympika 2024, natao tany Paris. Efa nandalo teto Madagasikara i Tedy Riner, ny taona 2015.





