Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Ambohitsaina Ankatso, ny “Grand Tournoi” eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ ny ligin’Analamanga. Hanana ny lanjany manokana izy ity, araka ny nambaran’Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny ligy. Voalohany, hisedrana azy efatra mirahalahy, i Tendry, Balôty, Liva ary i Lova, ao anaty ekipam-pirenena, izay handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Thaïlande, ny 20 ka hatramin’ny 24 novambra ho avy izao. Fitsofan-drano azy ireo ihany koa mialoha ny hiaingany hihazo izany fifaninanana izany.
Araka izany, misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana izay hahitana karazany telo. Ny “senior”, lalao ho an’olon-telo miaraka. Eo koa ny “veterans” sy ny an’ny tanora ary ny vehivavy, natokana ho an’ny olon-droa miaraka. Hahazo 3 tapitrisa Ar ny voalohany eo amin’ny “sénior”.
Mandra-piandry izany, tontosa soa aman-tsara ny 28 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra lasa teo, ny fiofanana nampanaovin’ny kaomisionin’ny mpitsara (CCA). Fantatra fa nahazo mpitsara nasionaly miisa 5 ny FSBM. Miisa 22 kosa ireo mpitsara mpiana-draharaha, izay mbola hanatanteraka fizarana asa mandritra ny enim-bolana na mihoatra mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany.
Tompondaka





