Tenisy – “ITF W15” de Paris! Resin’i Tiantsoa ilay rosianina Andrienko

Manohy ny diany amin’ny fiadiana ny ITF W15 de Paris, taranja tenisy, Ratre Ando Tiantsoa, Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Ny talata lasa teo nandritra ny fihodinana voalohany, nandresy ilay rosianina, i Maria Andrienko, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4) ny tovovavy. Nahagaga ny rehetra ity vokatra azon’i Tiantsoa ity satria mpilalao manana ny filaharana faha-745 maneran-tany ity rosianina ity, izay 22 taona.
Rahampitso, hifanehatra amin’i Beatrise Zeltina, 19 taona, avy any Letonie izy. Ity farany izay nandavo ilay Belza, i Tamila Gadamauri, tamin’ny seta 2 (6/4 ; 6/2). Laharana faha-398 maneran-tany i Beatrise. Marihina fa tsy mbola nihaona izy mirahavavy raha tsy amin’ity “ITF W15” ity. Tsiahivina fa vao 15 taona monja i Tiantsoa ary vao avy nandrombaka ny “ITF Juniors” natao teto Madagasikara ny volana septambra lasa teo. Tonga teo amin’ny manasa-dalana kosa izy nandritra ny “ITF J100” natao tany Balma. Efa tompondaka lefitra tamin’ny fifaninanam-pirenena frantsay, ho an’ny 13 – 14 taona izy, tamin’ny taon-dasa.

Tompondaka

Partager sur: