Vola sandoka mitentina 600 tapitrisa Ariary nokasaina hatakalo vola tena izy, saron’ny polisy tany Toamasina. Voasambotra ny vehivavy iray ahina ho tompon’antoka. Nokasaina hividianana vokatra letisia ny takalon’ireo vola sandoka ireo.
Nahatrarana vola sandoka 600 tapitrisa Ariary teo akaikin’ny Lycée II Suburbain Toamasina, ny zoma 06 novambra 2026. Nahatratra izany ny Polisim-pirenena ao amin’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena an’ny DRSP Atsinanana. Taorian’ny vela-pandrika nataon’izy ireo, voasambotra, omaly, ny vehivavy iray ahina ho tompon’antoka tamin’izany. Nahazo angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra ny polisy mahakasika ny fisiana vola sandoka. Anisan’ny vaovao voaray ny fisiana fifanarahana teo amin’olona nitondra ny vola sandoka sy ny olona nikasa hanakalo izany ho tena izy. Nifanao fotoana ireo ka nanamora ny fanatraran’ny mpitandro filaminana ny vola sandoka, raha ny fanazavan’ny DRSP Atsinanana, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. « Efa teo am-pelantananay avokoa ny angom-baovao rehetra mahakasika ireo olona ireo ka nahafahanay nanao ny fanarahana azy ireo », hoy ny DRSP Atsinanana. « Miova toerana hiaonana izy ireo dia miova araka izay koa ny asa ataonay », hoy ihany izy. Tany amin’ny Lycée II Suburbain Toamasina, no nahatrarana ireo vola sandoka ireo fa tsy mbola tratra ilay olona tao ambadika tamin’izay, raha ny fanazavany. Nogiazana tao amin’ny biraon’ny polisy ireo vola sandoka avy eo.
Fiara iray nampiahiahy
Nisy fiara iray nijanona tsy lavitra ny toerana nahatratrarana ny vola sandoka taorian’izay, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Nitohy ny fanaraha-maso. Afakomaly hariva, nahazo angom-baovao ny polisy fa efa tokony aloha amin’izay ireo vola tena izy izay takalon’ilay vola sandoka. « Nieritreritra io olona io fa efa voarain’ny olona nirahina ilay vola sandoka saingy sarona sy voarain’ny polisy», hoy ihany izy. Nomena fotoana ilay olona nikasa hanakalo ny vola sandoka ho vola tena izy. Tonga sy tratra izy ny harivan’ny 10 novambra 2026. Raha ny fanazavan’ny polisim-pirenena hatrany, nokasaina hividianana vokatra letisia eny amin’ny tantsaha ambanivohitra ny vola tena izy takalon’ireo vola sandoka ireo. Marihina fa voasambotra omaly 11 novambra 2026 teo ny vehivavy iray 39 taona. Nahitana vola sy milina fanontam-pirinty miisa roa, izay nampiasaina tamin’ny fanamboarana ireo vola sandoka ireo tao an-tranony. Atao andrimaso ao amin’ny biraon’ny polisy ny tenany amin’izao. Atolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana azy. Nitohy ny fanadihadiana ary misy olona maro voatonona mahakasika io tranga io.
Mino





