Ho fanamorana ny fitantanana ireo angonkevitra momba ny fampisakafoana an-tsekoly, nanolotra fitaovana niomerika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny faran’ny herinandro teo. Solosaina miisa 15, finday avo lenta 120, finday tsotra 250 no natolotra hampiasaina anivon’ny minisitera foibe sy eny anivon’ny sekoly.
Fanamby napetraky ny Hospital Partnerships Alliance (HPA) amin’ny alalan’ny Global Innovation Challenge 2027, ny hitadiavana vahaolana vaovao sy maharitra ireo fanamby sedrain’ny sehatry ny fahasalamana. Manohana izany ny minisiteran’ny Fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana ao Allemagne (BMZ). Misokatra ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, hopitaly, oniversite, mpikaroka, mpianatra ary tanora mpamorona hevitra ny fifaninanana, hahafahana misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 1,5 tapitrisa euros.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, ny fanombohana tetikasa Ainga Vao. Iarahan’ny ONG Action Education Madagascar sy ny kaominina Tanjombato manatanteraka. Reny tanora manodidina ny 30 no hisitraka ity tetikasa ity, amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanohanana ho amin’ny fahaleovantena ara-toekarena sy ny fampidirana azy ireo eo amin’ny tontolon’ny asa.





