Voadonan’ny taxi tetsy Andraharo ny harivan’ny alakamisy teo, ny lehilahy iray. Misehatra eo amin’ny tontolon’ ny fakana sary sy horonantsary ilay lasibatra. Nandositra ilay fiara nahavanon-doza tamin’io fotoana io, ary voasambotra omaly maraina.
Nitrangana lozam-pifampivoizana namoizan’ aina tetsy Andraharo ny harivan’ny alakamisy 12 novambra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 56 minitra hariva. Teo akaikin’ny station Total sy ny Cap3000 ny loza no niseho. Lehilahy iray 28 taona, nitondra moto marika Kymco miloko manga no niharan-doza teny an-toerana. Nodomin’ny fiarakaretsaka iray izy ka nifatratra sy nianjera tamin’ny tany. Vokany, naratra mafy ity farany noho ny fianjerany. Taorian’ny loza, nentin’ny polisy avy tao amin’ny CSP6 Ambohimanarina nihazo ny hopitaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha izy. Nozahan’ny mpitsabo izy rehefa tonga tao saingy efa tsy nisy aina intsony. Naterina tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny razana taorian’izay. Fantatra fa monina ao amin’ny fokontany Ambohidahy II, Antananarivo faha-5 ity lehilahy niharan-doza ity. Nandositra nankany Tsarasaotra ilay fiara nandona vao avy nanao ny loza. Nifanenjehan’ny olona ity farany saingy tsy tratra.
Voasambotra ilay nahavanon-doza
Nitohy ny fikarohana sy fisamborana an’ilay mpamilin’ny fiarakaretsaka nahavanon-doza, omaly maraina nanomboka tamin’ny 05 ora sy sasany maraina. Vokany, voasambotra ny omaly ihany, tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany ity farany (lehilahy 45 taona), niaraka tamin’ny taxi nentiny. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena izay nanao ny fanadihadiana teny an-toerana, nitondra fiara tao anaty fahamamoana ilay mpamily. Taorian’ny fisamborana azy, natao andrimaso sy miatrika fanadihadiana any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ity mpamily ity hatramin’izao fotoana izao. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha rehefa vita ny famotorana. Marihina fa 23 ireo lozam-pifamoivoizana voarakitra teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny 02 hatramin’ny 08 novambra 2026. Naharatrana olona ny tranga 18 tamin’ireo. Vokatry ny fitondrana fiara na kodiaran-droa tao anatin’ny fahamamoana avokoa ny 5 tamin’izany. 28 ireo olona naratra nandritra izany. Entanina ny mpampiasa lalana rehetra mba tsy hisotro zava-pisotro mahamamo alohan’ny hamiliana, hanaja ny hafainganam-pandeha.
Mino





