4*4 latsaka tany an-kady : Lehilahy roa maty voafaokan’ny fiara

Tra-doza teo amoron-dalana ny lehilahy telo, nipetrapetraka naka aina. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray tao Ankazomanga izy ireo, afakomaly. Nisedra olana ara-teknika ny fiara, avy eo nivarina tany anaty hantsana.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny lalam-pirenena faha-34, afakomaly, tokony ho tamin’ny 9 ora. Tra-doza ka nahafaty olona ny fiara tsy mataho-dalana iray nentina olona miisa roa, teo Ankazomanga, kaominin’An­joma, distrikan’i Mandoto. Raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Mandoto, nisy fahasimbana ara-teknika ny fiara. Tsy voafehy ny familiana rehefa niditra fiholahana. Vokany, nifaoka izay tandrify azy mialoha ny nilatsahany tany an-kady, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nisy lehilahy telo nijanona sy nipetraka teo amoron’ilay fiholahana nandritra ny loza. “Tsy tafavily ny fiara, nanitsy tamin’ireo telo lahy nipetraka tamin’ny sisin-dalana”, hoy ihany ny fanazavana. Maty tsy tra-drano, voahitsaka ny lehilahy roa, samy 30 taona. Na­ratra mafy ilay lehilahy iray naman’izy ireo. Nentina notsaboina haingana tany amin’ny hopitaly ity farany, efa tsy misy atahorana ny ainy amin’ izao, raha ny fanazavana ha­trany.

Nampandre ny loza ny mpamily

Nampandre ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana avy hatrany ilay mpamily ni­tondra ny fiara, taorian’ny loza. “Izy tenany mihitsy no niantso sy nampilaza fa nanao lozam-pifamoivoizana”, hoy ihany ny zandary. Efa notazomina atao andriamaso izy.
Nidina ifotony, nanadihady ny mpitandro filaminana. Tsy nisy naratra ny olona roa tao anaty fiara.
Ankoatra izay, mpandeha moto miisa roa koa niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Sambava, omaly maraina. Nifandona tamin’ny fiara mpitatitr’olona avy any avaratra, Vohemar hihazo an’i Sambava izy ireo. Voalaza fa nandeha mafy ilay moto.
Fiara raitra tsy mataho-dalana iray, nentina teratany vahiny koa tra-doza tetsy Ivandry, afakomaly. Tsy nisy naratra fa ny andrin-jiro no­trongisiny sy ny lohan’ny fiara no potika

Mino

Partager sur: