Vehivavy iray namoy ny ainy : Tobin’ny Zandary notafihan’ny vahoaka

Nirohotra nihazo ny biraon’ny zandary tany Befandriana Avaratra, ny andian’olona, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy, voan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireo telo lahy, voarohihory tamin’ny famonoana lehilahy iray tany an-toerana ireo vahoaka nanao fihetsiketsehana ireo.

Nitrangana savorovoro tany amin’ny kaominina Befandriana Avaratra, omaly tolakandro. Nirohitra nihazo ny biraon’ny zandary, nangataka ny hamoahana ireo olona miisa telo, voarohirohy tamin’ny famonoana lehilahy iray tany Beromba, ny herinandro lasa teo, ireo andian’olona. Nanakana ireto farany tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ny zandary saingy nitohy hatrany ny fihetsikehana. Tsy maintsy nandefa baomba mandatsa-dranomaso sy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana ka nahavoa ve­hivavy iray, tamin’ireo nanao fihetsiketsehana. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly ity farany saingy tsy tana ny ainy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny vondron-tobim-paritra Sofia, omaly. Olona iray ihany koa naratra, voalaza fa zava-maranitra no nahavoa azy. Mety nifanosika teny am-pitsoahana ka nianjera ary voatsindron’ny antsy noentiny, raha ny fanazavana ihany.

Telo lahy voarohirohy
Raha tsiahivina, maty nisy namono ny lehilahy iray avy any Beromba, telo herinandro lasa teo. Tsy mbola fantatra ny olon-dratsy namono azy tamin’izany. Nahazo vaovao marim-pototra ny zandary avy any Befandriana avaratra fa misy telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona, ny sabotsy teo. Nosam­borina ireto farany ary nentina niakatra fampanoavana tany amin’ny fitsarana tany Mandri­tsara taorian’ny famotorana nataon’ny zandary. Nisy ny fi­fampiresahana teo amin’ny sojabe sy ny sefo fokontany ary ny OMC élargie. Tapaka nandritra izany fa ho gadraina mandra-pahafaty ireo telo lahy voarohirohy. Tsy nanaiky izany ireo andian’olona ka niafara tamin’ny hetsika.
Taorian’ny hetsika, fepetra noraisina ny fiambenana ireo biraom-panjakana sy ny tobim-paritra ary ny zana-tobim-paritry ny zandary any an-toerana. Hanantanteraka famangiana manjo ny fianankavian’ny niaram-boina ihany koa izy ireo.

Mino

Partager sur: