Amerikanina sy ny Elta: Hamafisina ny fampianarana teny anglisy any an-tsekoly

Mitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny amerikanina amin’ny sehatry ny fampianarana teny anglisy. Hanampy ireo mpampianatra ny amerikanina hanatsara ny fampitana ny fahaizana teny anglisy amin’ny mpianatra.

Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, sy ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, Tom Bevan, ny fahavononana amin’ny fanohanana ny fanovana ny fan­daharam-pibeazana amin’ny alalan’ny tolo-tanana dia ny fandrafetana ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja anglisy.
Hisy, araka izany, ny fande­fasan’ny amerikanina mpampianatra teny anglisy matihanina « expert », hanampy ny tomponandraikitra amin’ny fanatsarana ny fandaharam-pampianarana teny anglisy.
Noresahina nandritra izany ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa mahakasika ny fanomezana fampianarana sy fanofanana teny anglisy ho an’ny mpampianatra mampianatra teny anglisy. Hampiana­rina teny anglisy koa ny mpiasan’ny minisitera izay hatao tsy ho ela miaraka amin’ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy Elta Madagascar.
Io fiofanana io dia hano­hana ny ezaka hanavaozana sy hanatsarana ny fandaraham-pianarana momba ny teny anglisy ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa ka ha­nampy ireo mpianatra malagasy amin’ny teknikam-pifandraisana sy ny fandalinana ary hanomana azy ireo hiatrika ny fianarana ambony sy ny tontolon’ny asa any aoriana.
Ankoatra izay, nasongadin’ ny Mpiandraiki-draharaha, Tom Bevan, ny fandaharanasa Mianatra izay tohanan’ny orinasa Vara Mada hanomezana sakafo isan’andro any an-tsekoly ho an’ny mpianatra miisa 10 000 manodidna an’i Toliara.
Sady manampy ireo mpianatra tsy hiala an-daharana no manatsara ny fianarany ny tetikasa. Ohatra iray ihany amin’ny tombony amin’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy Madagasi­kara io.
Tenim-pirenena tsy azo hiodivirana intsony ny teny anglisy ka tokony hahafehy izany ny tanora. Dieny any an-tsekoly dia efa mianatra tsikelikely, miezaka mahafantatra ireo firesaka mahazatra. Zava-poana anefa izany rehefa ny mpampianatra no tsy maha­fehy ny teny anglisy.

Tatiana A

Partager sur: