Vovonana Tantana ; Mampitambatra mpitarika sy olobe manerana ny Nosy

Mitohy ny fametrahana ny ratsa-mangaikan’ny Vovonana Tantana, any ifotony. Efa mipaka eny amin’ny kaominina sy fokontany izany ankehitriny.

Vononana iray, miady ho an’ny Fanavaozana te­na izy ny Tantana, tarihin’ny filoha nasionaliny, Rako­toniaina Justin. Misandrahaka manerana ny Nosy izany, an­kehitriny. Efa manana ny mpitarika azy ny isam-paritany. Efa mipetrapetraka ny eny anivon’ny distrika sy ny kaominina.
Anisan’ny efa lasa lavitra amin’ny fametrahana ny ratsa-mangaika ny ato anatin’ny faritanin’Antananarivo, tarihin’ny Ambasadaoro, Randria­na­risoa Riana Raymonde.
Ity farany izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona. Ao anatin’ny fametrahana ny tambajotran’ny tanora mpitarika sy izay vonona ny hiady amin’ ny kolikoly izy ankehitriny, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy.
Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny Akademian’ny mpitarika ny ato amin’ny faritra Analamanga, tarihin-dRaharivololoniaina Ninah. Efa miparitaka any amin’ny boriborintany ny sampana eto an-dRenivohitra. Hatomboka eny anivon’ny kaominina ny fampiofanana ireo tanora na izay mpitarika afaka ny hitondra ny tenin’ny fikambanany, ny tanàny, sns. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Fikam­ba­nan’ny ben’ny Ta­nànan’ny Vovonana Tantana, amin’izany.
Ho any amin’ny faritra Bongolava, tarihin-dRazafi­ma­monjy Noël, efa ben’ny Ta­nàna 20 mehery no niditra ho mpikambana. Miampy depiote iray nanolo-tena hifampitantana. Mahatratra 60 mahery ny fikambanana sy vondrona nanatitra ny antontan-taratasy, niditra ho mpikambana. Hotanterahina tsy ho ela ny hetsika hanamarihana ny fijoroana amin’ny fomba ofisialy.
Tsy ho ela ny fametrahana ny sampana ao Itasy sy Vakinankaratra, araka ny fa­nazavana nentin’ny Amba­sadaoro, Randrianarisoa Riana Raymonde, hatrany.

r.r

Partager sur: