Nampivondrona ireo talem-paritry ny mponina sy ny firaisankina manerana ny Nosy ary ireo teknisianina ny minisitera. Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary handrindrana ny fomba fiasa amin’ireo tokantrano marefo. Niompana tamin’ny tetikasa Haratonaina sy zara Mira ary ny fametrahana ny birao nasionalin’ny rejisra sosialy tokana (RSU) ny atrikasa.
Mitohy ny asa fanarenana ny Farihin’i Behoririka, izay tanterahan’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny fefy manodidina ny farihy ho fiarovana mandritra ny fanatanterahana ny asa, ary napetraka ihany koa ireo jiro hanatsarana ny fahazavana eny an-toerana.
Ampahatsiahivina sy entanina ny rehetra mba hiaro ireo fotodrafitrasa iombonana.
Nanazava ny mpamonjy voina ho an’ireo mpivaro-kazo sy tsena mora mirehitra mba hivonona
amin’ny extincteur na koa tapa-bariaka feno fasika hahafahana mamono haingana ny afo, tsy hampiitatra azy amin’ny toeran-kafa ho fiarovana ny aina sy ny fananana.





