Fiara roa tra-doza : Mpandeha 37 maty, 16 naratra mafy

Tafakatra 37 ny isan’ireo olona namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho omaly. Ny voalohany tany Ianabinda, distrikan’i Betroka, nahafatesana mpandeha miisa 26. Ny faharoa, tao Antsohihy, namoizina ain’olona 11.

Nentin’ny ranotrambo tampoka tao amin’ny tetezana Ianabinda, distrikan’i Betroka, omaly maraina tamin’ny 2 ora ny fiara avy nitondra razana, hiverina hamonjy fodiana. Tsy tafavoaka intsony ny ankamaroan’ny mpandeha rehetra tao anatiny. « Vahiny ilay mpamily. Noheveriny ho marivo ny rano. Tavela an-tenatenany anefa ny fiara kanjo tonga tampoka ny ranotrambo », hoy ny fanazavan’ny solombavamba­hoaka voafidy ao Betroka, Jean Nicolas Randrianasolo. Nifamonjena sy nialana ne­nina ny tra-doza saingy efa maty ny mpandeha miisa 26, nihitsoka tao anatin’ny fiara. Avotra soa aman-tsara, ny mpandeha miisa sivy. Anisan’ ny tafavoaka velona tamin’ny loza ny mpamilin’ny fiara.
27 ny olona nolazain’ny mpamily fa nentiny tao anatin’ny fiara. Mihoatra izany anefa ny isan’ny olona tafavoakan’ny fokonolona. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Olona miisa telo voalaza tsy hita popoka. « Tsy mitsaha-mikaroka izahay tomponandraikitra miaraka amin’ ny mpitandro filaminana aty an-toerana amin’izao fotoana », hoy hatrany ny solombavambahoaka.

Nandeha mafy

Taksiborosy mampitohy an’Antananarivo nikasa hi­hazo an’Antsohihy tra-doza tampoka teo anelanelan’Ana­hidrano sy Botomendry, dis­trikan’Antsohihy, omaly ma­raina. « Nandeha mafy io fiara io. Nivoaka ny lalana tamin’ny fotoana hiditra ny tetezana », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao Antsohihy. Etsy ankilany, loharanom-baovao hafa milaza fa azon’ny torimaso fotsy ny mpamily. Nivadika ny fiara, nifatratra tao ambanin’ny tetezana. Notatazan’ny vato. Mpandeha miisa 18 lasibatra.
Vokany, namoy ny ainy ny 11 tamin’ireo mpandeha. Sivy maty teo noho eo, roa hafa maty tany amin’ny toeram-
pitsaboana. Manaraka fitsaboana ny olona hafa naratra tamin’ity loza ity. « Miisa roa ny ankizy tao anatin’ny fiara ka naratra ny iray », hoy ny fanampim-panazavana. Nan­defa fiaramanidina manokana nampiakarana an’ny maratra tao Antsohihy mba hanaraka fitsaboana eto an-dRenivo-hitra ny fitondram-panjakana.

Tsiferana R.

Partager sur: