SOMBIM-BAOVAO

Handrafitra ny ekipan’ny Decines, amin’ny Trophée des villes taranja tsipy kanetibe i Yves Sedrick sy i Tianakely. Hiaraka aminy, i Clement Duvernet sy i Jason Giraud, sokajy (junior). Fihaonana hotanterahina any ST Etienne ny 21 ka hatramin’ny 24 janoary 2027.

Hotanterahina ny zoma 20 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina ny fivoriambe fifidianana izay ho filohan’ny filankevitry ny mpanazatra basikety eo anivon’ny ligin’Ana­lamanga. Kandidà roa no hifaninana amin’izany dia i Mick Eddy Herinirina Malalaniaina sy Raminoa­rison Charles Christiano.

Hifampitana etsy amin’ny kianja Makis Ando­hapaneka, ny alahady ho avy izao, ny USA Anka­difotsy sy ny RCSA Anosibe, izay vao niakatra “Top 12”. Lalao andrasan’ny rehetra tokoa satria ao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana ny roa tonta ary mitsapa ireo mpilalao ao aminy.

Partager sur: