TARATRY ny KANTO

Nahazo amboara fanindroany tamin’ny « New England Music Awards » i Niu Raza. Efa nahazo izany izy ny taona 2021 izay niampy iray indray, nandritra ny lanonana notontosaina tany an-toerana, ny alahady teo. Izy rahateo no mpanakanto malagasy nahazo amboara tamin’ity hetsika ity. « Ho an’i Madagasikara ity fandresena ity », hoy i Niu Raza.

63 taona katroka, ny 16 novambra teo, ny niorenan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fi.Mpi.Ma). Raha dinidinika nifanaovan’ny olona vitsivitsy izy tamin’izany… Ankehitriny kosa, endrika maro no entin’ity fikambanana ity mampivelatra ny tontolon’ny kabary mba hipaka any amin’ny Malagasy tsirairay indray ny fitiavana azy. Iray amin’ireny ny fampianarana, izay tsy mijanona eto an-toerana fa mivelatra hatrany ivelany. Eo koa ny fampiasana ny teknôlôjia ahafahana mizara momba ny tontolon’ny kabary.

Tafiditra lalina ny « IA » ? Miditra amin’ny tsy tokony hidirana sa efa sahazan’ny fandrosoana mihitsy io fampiasana ny « Intelligence arificielle » any amin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao io. Ny sikidy, lasa hatao amin’ny « IA ». Ny fanandroana sy izay mifandraika amin’izany. Nahavitana « application », sns. Tranga roa no tena mampiahiahy manoloana ireny tranga ireny. Tsy hanampahavononana hianatra ny fomba amam-panaony intsony ny Malagasy fa hamantam-bonona foana. Faharoa, ho dombo ny saina, satria, tsy ampiasaina. Tsy mahasolo velively mpisikidy sy mpanandro ny « IA ». Sa ve ilaina hatrany ny manaraka teknôlôjia amin-java-drehetra ?

Partager sur: