Hampitomboina ho 30 % ny anjara birikin’ny indostria amin’ny harinkarena faobe hatramin’ny taona 2040, amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fampidirana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Nivoitra izany nandritra ny lohahevitra novoaboasan’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, teny amin’ny amin’ny CCI Ivato nandritra ny Salon International des Affaires et de l’Entrepreneuriat (SIAE) 2026. Hetsika izay atao manomboka ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra.
Omena fe-potoana roa herinandro ireo mpanjono madinika mampiasa ny harato Kirara, ao Morondava mba hahazo fahazoan-dalana hanjono. Tsy maintsy manana karatra maha mpanjono ihany koa ireo mpanjono rehetra, ary najanona ny fampiasana ny tarikaky. Hojerena koa ny famindram-pitantanana ny harena an-dranomasina (TGRH), ho fiantohana ny fitrandrahana maharitra ao Menabe.
Nifarana ny 17 novambra teo ny tetikasa AfriCam Madagascar, notanterahin’ny Cirad sy ny IRD, niaraka tamin’ny famatsiam-bolan’ny AFD. Naharitra telo taona ny fikarohana momba ny aretina mifindra avy amin’ny biby mankany amin’ny olombelona, ka nahazoana angon-drakitra momba ny tazo Rift Valley, ny haromotana ary ny aretina mifindra amin’ny kongona. Mpiompy maherin’ny 900 ihany koa no arahin’ireo mpiasan’ny APPSA. Nampahafantarina nandritra ny lanonana famaranana teny Ankorondrano ny sehatra niomerika nasionaly hanaraha-maso sy hanairana mialoha momba ny aretina.





