Nitsidika sy nanao dinikasa teny Tsimbazaza, ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Noresahina manokana tamin’izany ny tetikasa ampiasana vola.
Amin’ny maha firenena manana ny fiandrianampireneny an’i Madagasikara, dia tsy afa-mandidy na manery azy amin’izay tiany hatao ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Izay ny fanazavan’ny lehiben’ny iraky ny FMI, i Constant Lonkeng Ngouana, nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly. Niaraka taminy ny solontena maharitry ny FMI eto Madagasikara, i Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Noresahin’ny roa tonta ny tetikasa vatsian’ny FMI vola amin’ny alalan’ny Tahirim-bola ho an’ ny fanamorana ny fampindramam-bola (FEC) sy ny Tahirim-bola ho an’ny faharetana sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika (FRD). Ao anatin’ny fanarenana ny Jirama ny FEC, izay mitaky ny fifehezana ny vidin’ny famokarana hampihenana ny tetibola fanampiana ny orinasa. Misy koa ny fepetra fanohanana na tantsoroka miaraka amin’ny fanatanterahana. Hanohanana ireo marefo amin’izay mety ho fiakaran’ny vidin’ny herinaratra izany. Raha ny hevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena, tsara tokoa raha hampiasaina amin’ny fametrahana takelaka mamokatra herinaratra amin’ny masoandro, ohatra, ny tetibola fa tsy ho lany amin’ny tsy tokony ho izy.
Tsara ho fantatra fa niatrika fivoriambe teny amin’ny Antenimierampirenena ireo solontenan’ny FMI ny 16 novambra lasa teo. Voazava tamin’izany fa roa lehibe no iorenan’ny fandaharanasan’ny FMI eto Madagasikara amin’izao. Voalohany, ny fifanarahana ao anatin’ny FEC maharitra 36 volana; faharoa, ny fifanarahana ao anatin’ny FRD. Ankoatra izay, ny fahavitan’ny fanombanana andiany fahatelo sy fahefatra momba ny FEC sy ny FRD tamin’ny faran’ny volana septambra 2026 dia nahazoana namoaka famatsiam-bola 155 tapitrisa dolara teo ho eo ho an’i Madagasikara.
R. Nd.





